Sport

Nicolas Dupuis nomen’ny ministera andraikitra Tsy mbola nandrenesam-peo ny FMF


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Raha natolotr’Atoa Tinoka Roberto, minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Malagasy tamin'ny fomba ofisialy an’Atoa Nicolas Dupuis

 

 

 

 tamin’ny talata 14 janoary 2020 teo ny birao fiasany vaovao etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina amin'ny maha “Consultant” na manampahaizana manokana miara- miasa amin'ny minisitera azy. Ho fanamafisana ny ezaka vita dia tsy hijanona fotsiny amin'ny maha mpanazatra azy Atoa Dupuis fa hisahana koa ny fampandrosoana ny baolina kitra amin'ny ankapobeny sy ny fampiroboroboana ny fiaraha-miombon'antoka eo amin'ny fanjakana sy ny tsy miankina ary koa ny fikarakarana ireo taninketsa any ifotony. Tsy mbola nandrenesam-peo ofisialy mikasika ny toerana sahaniny eo anivon’ny baolina kitra Malagasy kosa ny FMF “Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra”.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT