Foana tamin'ny minitra farany ny lalao izay saika nihaonan-tsika tamin'i Ghana nohon'ny antony tsy dia avy tamintsika loatra, hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, Nicolas Dupuis.
Noho ny fanampian'ny fitondrana Malagasy tamin'ny alalan'ny Minisiteran'ny tanora sy ny fanatanjahan-tena sy ny fanomezan-tanana izay nataon'i Justin Randriatsioaray, namana ao Luxembourg sy ny namana iray, agent Sebastien Ranc ary Tarik, tompon’andraikitra nikarakara ny Burkina dia ho raiketina ny fampivondronana ireo mpilalaontsika izay manomboka ny 5 ka hatramin’ny 13 oktobra 2020 izao ary tafiditra amin'izany fampivondronana izany ny lalao fanazarantena hihaonana amin'ilay ekipa divizionina voalohany ao Luxembourg, Swift Hesperange, ny zoma 9 oktobra ka anorako fisaorana tamin'ny fanasana izay natony ho antsika. Ao anatin'izany fampivondronana izany araka ny efa fatantsika ny hanatantetahana ny lalao ara-pirahalahiana amin'i Burkina Faso ny 12 oktobra any Maraoka. Ny 10 oktobra izahay dia efa any an-toerana satria tsy maintsy atrehina ny fepetra ara-pahasalamana mahakasika ny Covid-19 izay isaorako ny namana Sebastien sy Tarik amin'ny fanampiana izay ataon'izy mirahalahy izay nampahazo toky ny tenako na dia mbola mampiahiahy aza ny toe-javatra ao Maraoka, hoy hatrany i Nicolas Dupuis. Raha ny mahakasika ny hotel handray ny Barea dia azo lazaina fa hotel manana ny kalitao ambony, iray isaky ny efitry ny mpilalao. Ankoatran'izany dia hanana ny kianja voatokana isika hanaovana fanazaran-tena any an-toerana. Raha ny efa nambara tamintsika dia nidangana be loatra ilay fandaniana amin'ny fandehanana any Maraoka izay mitotaly miohatra ny 100.000 euros ary tsy ho zaka mihitsy nefa noho ny ezaka fanomezan-tanana nataon'i Sebastien sy Tarik kosa dia niravona ny olana rehetra. Ny mahakasika an'ity lalao ity dia nahafaly ny fifampiresahana tsy tapaka nandritr’izay herinandro izay teo amiko sy ny mpanazatra an'i Burkina izay tolorako fisaorana eto. Efa any an-toerana izy amin'izao fotoana izao. Ny maillot hanaovan'ny Barea amin'io lalao io dia mbola ilay Garman ihany izay ny Telma no nanolotra izany. Eto ampamaranana dia tsy haiko ny tsy hisaotra ny filohan'i CAF, Ahmad Ahmad sy ny Federasionina Maraokanina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.