Sport

Nicolas Dupuis Nandalo tany Sambava sy Antalaha


  • Alatsinainy 30 Novambra 2020

Nijanona 3 andro tao Antalaha ny faran’ny herinandro teo ny mpanazatra ny

 

 

 

ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, Nicolas Dupuis, sy ireo mpiara-miasa aminy. Taorian'ny fandraisana nahafinaritra tao Sambava dia nihazo an'i Antalaha izahay, hoy izy. Betsaka ny zavatra nahafinaritra hitako tany Antalaha ankoatran'ny fandraisana nampihetsi-po nataon'ny olona. Nisy ny fialana hetaheta niaraka tamin'ireo mpikarakara sy ireo Barea fahiny taorian'ny fahatongavana. Taorian'izay dia nisy ny fitsidihana ny fambolena lavanila sy ny fikarakarana izany vokatra izany mialoha ny hanondranana azy any ivelany. Ity lavanila ity iarahantsika mahalala fa ny distrikan'i Antalaha no renivohiny maneran-tany. Nisy moa ny lalao ara-pirahalahiana nihaonan'ireo Barea fahiny sy ny FC Ambiance omaly alahady, raha ny tatitra nataony hatrany.

 J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT