Sport

Nicolas Dupuis Mpanolotsaina teknikan’ny governemanta hatreto


  • Zoma 23 Aogositra 2019

Mbola miandry ny fipetrahan’izay ho filoha vaovaon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra hatreto ny fitohizan’ny fifanarahana amin’ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra teo aloha, Nicolas Dupuis.

 

 Raha tsiahivina, ny 31 jolay teo no nifarana ny fifanarahana voalohany taorian’iny vokatra azon’ny Barea tany amin’ny CAN 2019 iny. Raha ny nambarany tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly nandritry ny fisaorany ampahibemaso ireo mpanohana sy mpiara-miasa taminy ary ny mpitondra sy ny vahoaka malagasy kosa dia ny 24 aogositra izao, izany hoe, rahampitso no nifanarahana tany am-boalohany fa hanatanterahana ny fifanavaozan-tsoniam-piaraha-miasa aminy amin’ny maha mpanazatra ny ekipam-pirenena azy. Mandra-paha, hoy izy, aloha ny tenako dia efa nanao fifanarahana tamin’ny fitondrana malagasy fa ho mpanolotsaina teknikan’ny governemanta eo amin’ny sehatry ny baolina kitra ary isaorako ny vahoaka malagasy satria izy ireo no nangataka ahy mbola hijanona ka mahatonga ahy mbola aty Madagasikara.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT