Sport

Nicolas Dupuis Miha resy lahatra amin’ny mpilalao anatiny


  • Alakamisy 07 Janoary 2021

Nanazava fohy mikasika ny tetikasany momba ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra amin’ity taona ity ny mpanazatra ny Barea, Nicolas Dupuis.

 

 

 

Nasiany teny manokana ny momba ny vodilaharana, Thomas Fontaine, izay tsy afaka ny hiatrika ireo lalao miisa 2 farany hifanandrinantsika amin’i Etiopia sy Niger ny volana martsa izao noho ny ratra mafy nahazo azy. Mikasika izay mpilalao heveriko ho afaka hanolo ny toerany amin’io fotoana io, hoy izy, dia mino aho fa azo hantenaina ho ao anatin’ny heriny i Bapasy sy Jeremy Morel. I Theodin ihany koa hitako fa afaka hipetraka eo amin’io toeran’i Thomas io tsara. Vao avy nijery azy tany Mahajanga aho farany teo. Tokony hahita mpilalao anatiny, izany hoe avy eto an-toerana misimisy isika amin’io martsa io. Rinjala ao tsara ihany koa no hitako tany Mahajanga ihany. Nina koa tokony ho eo amin’io, hoy hatrany ny tenany, hita ho miha resy lahatra amin’ny mpilalao anatiny. J. Mirija

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT