Sport

NICOLAS DUPUIS Mianatra voambolana malagasy 10 isan'andro


  • Talata 31 Martsa 2020

Famakiam-boky sy fianarana manokana ny teny Malagasy no anisany andanian'ilay mpanazatra ny BAREA, Nicolas Dupuis, andro amin'ny fiatrehana ny fihibohana an-trano na "confinement" ankehitriny.

 

 Voambolana 10 isan'andro no ezahiny ho fehezina amin'izany ary efa mahay manisa tsara 1 hatramin'ny 10 ny lehilahy ankehitriny araka ny nambarany. Nanentana ny rehetra ho tia hamaky boky betsaka izy ho fanovozana fahalalana amin’izao fijanonana an-trano izao. Nanentana ny rehetra hanaraka ny fepetra napatraky ny fanjakana koa izy amin'ny ady atao amin'ny fianaky ny coronavirus izao. Nampatsiahy ny coach Dupuis fa matoa ny ekipam-pirenena tonga amina dingana avo nandritra ny CAN dia nisy fifehezan-tena lehibe sy fanajana ny “discipline” tao; tokony tahaka izany no hiatrehan’ny tsirairay ity valan’aretina ity hoy izy raha tiantsika ny handresy azy.

Ntsoavina Évariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT