Sport

Nicolas Dupuis Mbola miezaka miaro tena hatrany


  • Alatsinainy 27 Martsa 2023

Mijanona ho mangidy, hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea, Nicolas Dupuis, teo am-pahatongavana tao Douala, Cameroun, ny faharesena.

Mendrika iny fandreseny iny ny mpifanandrina na dia tena tsara aza ny endri-dalao nasehontsika nandritry ny 35 minitra voalohany, hoy izy. Baolina tokana ihany no tsy tafidiny. Azoko in’arivo ny fahadisoam-panantenan’ireo mpanohana. Hanome ny rehetra izahay mba hahazoana fandresena amin’ity lalao miverina ity. Malahelo aho fa tsy afaka nanaradia taty ny 3 tamin’ireo mpilalao isany ilaina. Ny tsy maha eo an’I Datsiry sy Loïc ary Sylvio dia ho fahavoazana ho antsika. Ny iray moa noho ny antony ara-pahasalamana ary ny an’ny roa hafa kosa dia noho ny fitondran-tena tsy mendrika izay tsy ankasitrahako mihitsy. Nanaraka anay kosa I Ando sy Tendry ary nameno vondrona tena vonona, hoy hatrany I Nicolas Dupuis. Hita ho mbola miezaka miaro tena sy te hanipy ny mbola mety tsy ho fahombiazany amin’ny hafa hatrany araka izany ity mpanazatra ity. Efa manana ny tsy fahafahan’ireo mpilalao miisa 3 voalazany teo ho mety ho anton’izany tsy fahombiazany izany na “excuse” indray, araka izany, ny tenany amin’ity lalao atrehina anio ity. Ny mahagaga dia mbola sahiny ihany ny milaza fa mbola tena anaty fahavononana ny ekipam-pirenena na teo aza ireny faharesena tetsy Mahamasina farany teo ireny? Mirary fandresena ho an’ireo boay kely hatrany tokoa moa na izany aza ary dia ho hita eo indray izay ho ambaran’ingahy Nicolas Dupuis aorian’ity lalao anio ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT