Sport

Nicolas Dupuis Mbola ho mpanazatra ny Barea aorian’ny CAN


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Mitohy ny dia ho an’i Nicolas Dupuis sy ny ekipam-pirenena Malagasy. Hotazonina ho mpanazatra an’ny Barean’i Madagasikara hatrany ny tenany aorian’ny CAN.

 Efa nisy dinika vita momba izany teo aminy sy ny filoha Andry Rajoelina, hoy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Tinoka Roberto. Hapetraka mazava ny karama amin’ny maha mpanazatra azy. Efa mitempo ho an’i Madagasikara rahateo ny fony, ary miraiki-po tanteraka aminy ny mpilalao, izay anisan’ny antoky ny fahombiazana. Hojerena dieny izao ihany koa ireo katita hoavin’ny kitra Malagasy amin’ny fananganana Akademiam-pirenena ary hitondra ny traikefany amin’izany i Dupuis, izay efa lasa “Patron’aomby” amin’ny maha mpiandry mahatoky ny Barea azy. Klioba miisa 3 farafahakeliny no efa mitsirika sy te haka azy noho ny fahombiazana entiny amin’ny Barean’i Madagasikara. Tena hafa raha samy mpanazatra izy noho ny fifandraisana am-po teo aminy sy ny mpilalao, ary anisan’ireo voalaza ho niala vola am-paosy mihitsy mba hahazoana fahombiazana sy handehanana lavitra kokoa, ka izao mioty ny vokatra izao ankehitriny.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT