Sport

Nicolas Dupuis Inona no mbola nifikirana teo fa tsy niala ?


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

Mbola miharihary hatrany eto fa misy olana ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy na ekena aza fa nisy ny ezaka toy ny tamin’ny fahombiazana nandritra ny CHAN farany teo, izay isaorana an’ireo nanao ny ezaka rehetra.

Io iaraha-mahita kosa anefa ny olan’ny Barea ekipa A, izay hiatrika lalao goavana afaka 3 andro. Fotoana fohy mialohan’ny lalao hifanandrinana amin’i Centrafrique no nilaza i Nicolas Dupuis fa hiala tsy ho mpanazatra ny Barea aorian’ny fifanintsanan’ny CAN. Isika izay mitana ny laharana faha-4 farany vonjimaika taorian’ny famerenana ity mpanazatra ity hitantana ny ekipam-pirenena, ary tsy nahitana vokatra firy. Nentina tamin’ny resaka politika rahateo fa tsy teknika, ka toa ny hambom-pon’ny mpitondra manam-pahefana no namerenana an’ity akamakama malaza ho mpiara-mibizina ho eo amin’ny familiana ny Barea indray. Ny CAN 2019 hatrany no tanisaina hanakonana ny tsy fahombiazana 4 taona aty aoriana. Io iaraha-mahita io ny vokatra, ary toa tsy dia toe-tsaina mendrika amin’ny fitantanana ekipam-pirenena mihitsy ny filazana andro vitsy mialohan’ny ady lehibe hatrehina, fa hiala tsy ho mpanazatra na ho inona na ho inona vokatra ho azo eo. Na ny moralin’ny mpilalao aza ve tsy ho simba amin’izany ? Sa sanatria na ilay mpanazatra aza efa tsy mahatoky ny valerany sy tsy manantena vokatra intsony ka ny azy no ataony tonga aloha fa hiala na ho any na tsy ho any? Maninona i Nicolas Dupuis raha vao vita ny lalao faharoa tamin’ity fifanintsanan’ny CAN ity ny jona 2022 dia nametra-pialana mba nahafahana nametraka mpanazatra tena vonona hanarina fa tsy izao vao manao ireny ary efa ela rahateo fa tsy vao izao no nahazoany kiana mivaivay noho ny vokatra azony? Somary sarotra aloha ny làlantsika hahazoana ny tapakilan’ny CAN 2023, saingy mirary soa hatrany ny ekipam-pirenena mba ho afaka hanarina ny lesoka sy handresy amin’ireo lalao farany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT