Sport

Nicolas Dupuis « Hokitihina kely ny Barea ! »


  • Talata 27 Aogositra 2019

Hoteteziko daholo manomboka any Eoropa ka hatrany Azia, hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, Nicolas Dupuis, mba hitadiavana izay mbola azo hanatsarana ny firafitry ny Barea.

 

 

 Tsy hohadinoina ihany koa ireo mpilalao avy eto an-toerana ary nahita nanaitra tamin’izy ireo aho, ohatra, tao Nosy be. Mbola te hanome bebe kokoa ho an’ny ekipam-pirenena sy ny vahoaka malagasy aho, hoy hatrany ity mpanazatra avy nanavao ny fifanarahany hatramin’ny 4 taona manaraka ity indray. Heveriko fa ilaina hokitihina kely ihany ny firafitry ny Barean’i Madagasikara ankehitriny, hoy ny fanazavany, ary amin’io volana septambra io no vinaniana hanaovana famondronana sahady mandritry ny lalaom-pirahalahiana iray.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT