Sport

Nicolas Dupuis “Hanao izay handresena an’i Niger isika”


  • Alakamisy 25 Martsa 2021

"Tsy mitady excuses aho momba ny toetr’andro sy ny tontolon'ny lalao. Resy ny ekipako satria nanatombo ny mpifanandrina aminay.

 

 

 

 

 Arahabaina ny Etiopianina. Ekipa tena tsara ary mahay baolina. Mendrika ho azy ireo ny fandresena. Ambonintsika ny Etiopianina androany. Fantatro tokoa fa ho mafy ny lalao anio ary dia io vokatra io no porofo. Na Côte d'ivoire na Niger dia samy niondrika teto avokoa », hoy ny mpanazatra ny Barea Nicolas Dupuis taorian’ny fiondrehan’ny Barea omaly. Tokony nahafaty baolina 1 na 2 isika tamin'ny fidirana voalohany, anisan'izany ny an'i Voavy Paulin vao efatra minitra nilalaovana. Saingy mivaly amintsika moa ireny rehefa tsy tafiditra, hoy izy. Tifitra tsy latsaky ny 13 no nataontsika, tsy nisy maty. Ny azy ireo 4 ihany niditra avokoa. Nanana herinandro maro nihomanana I Ethiopie. Izahay roa andro. Na izany aza dia mairahaba ny mpilalaoko aho satria dia niady izy ireo ary nihatsara kokoa ny fizaram-potoana faharoa. Tamin'ny fidiran'ny fizaram-potoana faharoa dia efa nieritreritra sahady ny lalao manaraka aho hany ka nanao fanovana haingana. Manana andro 6 isika hihomanana amin'ny Niger, hoy hatrany I Nicolas Dupuis. Miaiky ny faharesena izahay, saingy tsy hay ny tsy hanome fanamarihana momba ilay "fait de jeu" tamin’ny fizaram-potoana voalohany raha ninia nandona ny baolina tamin'ny tanany teo ivelan'ny faritra tsy azo ivalozana ny mpiandry tsatoby an'izy ireo. Na aiza, na aiza dia karatra mena iny ary tokony nahazo tombony tamin'izany isika raha toa ka niala ny mpiandry tsatoby an'izy ireo”, hoy ity Mpanazatra ny Barea ity manoloana ny fomba nitsarana ny lalao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT