Sport

Nicolas Dupuis Hampijoro mpilalao tsy mahazatra azy


  • Alatsinainy 15 Martsa 2021

Tsy maintsy hampijoro mpilalao tsy mahazatra azy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra,

 

 

Nicolas Dupuis, raha raikitra ny fihaonana miisa 2 farany eo amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny dingan’ny famaranan’ny CAN 2022 hihaonantsika amin’I Etiopia sy Niger ny 24 sy 30 martsa izao. Azo antoka 100% fa tsy hiverina izany aloha ny fampijoroana mpilalao toy izay hita tany amin’ny CAN 2019 farany teo. Voatery hanova ifotony ny endrika ho hita eny ambonin’ny kianja ity tekinisianina frantsay na any amin’ny vodilaharana io satria tsy ho eo i Thomas Fontaine na ny ao amin’ny lohalaharana satria tsy ho eo koa I Bolida. Mety hiteraka fiovana ao amin’ny afovoanin’ny kianja ihany koa anefa ny tsy maha eo an’I Rayan izay hita ho sady nahatana ny andraikitra maha irakiraka mpanafika no nahatana ny andraikitra maha irakiraka mpiaro sy mpandrindra lalao. Anjaran’ny mpitana ny laharana faha 10, raha ny lojika, no tena tokony hitazona izay anjara toeran’ny mpandrindra lalao izay saingy tsy nantsoina ihany koa anefa moa ilay mpilalaon’ny Bohemian FC atsy Irlande avaratra, Hery Bastien. Mila fahamailoana tanteraka noho izany ny mpanazatra amin’ny fampijoroana ireo ho Barea miisa 11 voalohany hiakatra kianja amin’ireo lalao miisa 2 farany ireo satria dia mbola tsy hay koa izay mbola ho fiovana hafa manoloana ity fiatrehan’izao tontolo izao ny olana ara-pahasalamana ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT