Sport

Nicolas Dupuis Azo atao ny manafatra ny FC Fleury 91 hihaona amin’ny Barea


  • Alatsinainy 04 Martsa 2019

Fantatra tamin’ny sabotsy 2 martsa teo teny amin’ny “Maison du Foot-ball Malgasy” eny Isoraka fa hotanterahina rahampitso talata 05

 

 

 

martsa ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ilay mpanazatra Nicolas Dupuis sy ny Comité de normalisation ny baolina kitra Malagasy ny  hitantanany ara-dalàna amin’izay sy mahafeno fepetra  ny ekipam-pirenena Malagasy, ny Barean’i Madagasikara, hatramin’ny fahavitan’ny CAN 2019. Nohamafisiny fa hanao lalao ara-pirahalahiana any Luxembourg ny Barea  ary handray ny ekipam-pirenen’i Kenya ao Parisy ihany koa ho fanomanana. Azo hafarana ho aty Madagasikara koa ny Fc Fleury tantanako,  hoy izy, hihaona amin’ny Barea. Mialoha izany anefa dia ny lalao fifanintsanana famerenana  hikatrohana amin’i Sénégal any Dakar amin’ny 23 martsa 2019 dia anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fanomanana sahady an’ity CAN Egypte 2019 ity. Ho an’ny Barea, mpilalao 20 mirahalahy no hantsoiny hiatrika izany dia i BRAMS - LEDA – MELVIN, DEBA KELY - T.FONTAINE - PASCAL - J.MOREL - J.MOMBRIS - R.METANIRE, IBRAHIM - BAGGIO (Fosa) - ANICET - MARCO - ZOTSARA – DIMITRY, CAROLUS - NJIVA - PAULIN - IMA - WILLIAM - BÔLIDA (suspendu fa ao anaty groupe). I Dax tena ilaina, hoy i Nicolas Dupuis fa miankina amin’ny fanomezan-dalana homen’ny Comité de normalisation sy ny Fosa Juniors.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT