Niala bala ny FMF

"Tsy nifanaraka tamin'i Coach Roro


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2026

hanazatra ny Barea A' izahay !"

Tonga hatramin'ny filazan'io rafitra io fa tokony hamakafaka ny zava-misy marina sy hijery ny antontan-taratasy ara-pifanarahana ny rehetra alohan’ny hinoana vaovao tsy voamarina, mba hisorohana ny fampisavorovoroana eo amin’ny sain’ny vahoaka. Raha raisina amin'io, niala bala amin'ny resaka hoe tambin-karama tsy voaloa izany ny FMF. Niasa maina izany ny Coach Roro tamin'ny fitantanana ny Barea CHAN, mionona amin'ny "prime" noho ny vokatra azon'ny ekipam-pirenena dia ny nahazoantsika ny laharana faharoa taty Afrika. Toa lasa misy endrika hoe: ny adalanao no te hanazatra ny Barea A' fa tsy nifanaraka hanarama anao teo. Nilaza ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Rasambany Désiré mikasika io raharaha io, fa marina tokoa ny mbola fisiana vola tsy voaloa, ka ataony anjara tandrify ny Minisitera, ary an’ny FMF ny tandrify azy. Naneho fa manana andraikitra izany ny Minisitera raha niala bala kosa ny FMF. Nisy anefa ny fahombiazan'ny Barea A' dia ny FMF tarihin'ny Filohany Alfred Andriamanampisoa no miedinedina voalohany, nisy savorovoro sy adihevitra samihafa vao nisy resaka vola "prime" izay nanakianan'ny olona ny FMF. Rehefa mahomby dia japiana fa rehefa misy olana tokony hovahana sy mba valim-babena tokony haloa dia hoe tsy nisy nifanaraka taminao teo, izany hoe: toy ny tsy misy mpiahy izany ny Barea A' fa dia ankinina amin'ny mpilatsaka an-tsitra-po. Ekena fa mety izay ny anaty lamina sy ny rafitra hoe ny Barea A ihany no karamain'ny FMF sy Fanjakana ny mpanazatra saingy tena mipetraka ho mpiahy ny baolina kitra ve ny FMF eo anatrehan'ny setriny mikasika ilay olana na mety misy marina aza ny azy? Atao mahagaga ve raha ambony ambany ny kitra Malagasy?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT