Sport

Neymar Vita ny fandidiana, maka aina tsara aloha


  • Alatsinainy 05 Martsa 2018

Any Mangaratiba, tanàna iray malaza amin’ny fizahantany , 100 km miala an’i Rio de Janiero no miala sasatra nanomboka omaly alahady ilay mpanao baolina kalaza milalao ao amin’ny PSG Neymar Jr.

Vita soamantsara ny fandidiana ny tongony an-kavanana ary maka aina sy miroso amin’ny famerenana tsikelikely ny tanjany izy amin’izao fotoana, araka ny fantatra. Manana villa tsara tarehy ao amin’io tanàna io moa i Neymar, ary tena lavitry ny tabataban’ny tanàn-dehibe sy ny mpanao gazety ka afaka maka aina tsara. Efa mazava ny resaka fa tsy afaka milalao baolina mihitsy aloha ity kalaza Breziliana ity ao anatin’ny iray volana. Ho hita eo indray ny tohiny avy eo. 

 

Burkina Faso

Manomboka tsy milamina ny tany

Roa andro latsaka kely taorian’ny fanafihana ny biraon’ny etamazaoron’ny afrika sy ny masoivoho Frantsay, dia nitrangana herisetra hafa indray tao Ouagadougou, renivohitr’i Burkina Faso. Milaza ny loharanom-baovao iray avy amin’ny governemanta fa nisy olona 3 nanao an-keriny ny sakana napetraky ny GSPR na ny hery manoham-pirenena mpiambina ny filoha sy ny lapam-panjakana. Voalaza fa tafatsoaka ny 2 saingy voasambotra kosa ny olona 1 izay saika handrombaka ny fitaovam-piadian’ireo miaramila mpiambina. Etsy an-kilan’izay anefa mampita vaovao ny sampana seraseran’ny zandarimaria Burkinabe ka milaza fa nisy lehilahy iray maty voatifitra taorian’ny fampitandremana azy mba tsy hanakaiky ny sakana. Tsy fantatra na nisy fifandraisany tamin’ilay fanafihana nitranga ny zoma lasa teo izao  zava-miseho izao fa ny hita aloha dia manomboka mikorontana ny ao an-drenivohitr’i Burkina faso ary mitaintaina isan’ora ny mponina 

Fifidianana solombavambahoaka any Italia

Mbola mampisalasala ny mety ho vokatra

Tombanan’ny mpanara-baovao fa mety hahazo tombony amin’ny fifidianana solombavambahoaka notanterahana tany Italia omaly alahady ny hery ankavanana. Tena sahiran-tsaina sy azo atao hoe leo amin’ny fibosesehan’ireo mpitsoa-ponenana ao amin’ny taniny mantsy ny Italianina ka maro ireo heverina fa mety hifidy ny hery ankavanana izay manohitra io fifindra-monina na fangatahana fialokalofana ara-politika ambaran’izy ireo hoe gaboraraka any Italia io efa an-taonany maro izao. Ny Afrikanina moa no tena tonga maro any an-toerana ary lasa miteraka olana ara-tsosialy namelona indray ny resaka fanavakavaham-bolon-koditra tany Italia.Na izany aza anefa tsy tena mbola azo antoka ny vokatra satria mizarazara be ihany ny hevitry ny Italianina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT