Sport

Neymar Junior Sady naratra indray no voasazin’ny UEFA


  • Alakamisy 20 Jona 2019

Naratra indray tamin’ny fihaonana ara-pirahalahiana nikatrohan’i Brésil sy Qatar tamin’ny 6 jona teo i Neymar ka tsy afaka niatrika ny Copa America 2019 tontosaina any amin-dry zareo ankehitriny.

 

 

 

Mandeha ny feo fa mety havotsotry ny ekipa hilalaovany ankehitriny, ny PSG, ity mpilalao ity noho io ratra matetika mahazo azy io. Nanampy trotraka an’izany ny toetra nasehoan’ity mpilalao ity tamin’ny mpijery Frantsay noho ny faharesen’ny PSG  teo amin’ny famaranana ny Coupe de France ny 28 aprily 2019 sy ny  raharahan-ketra mahavoasaringotra azy tao amin’ny Fc Barcelone sy ny fifindrany tao amin’ny Psg tamin’ny 2017 ary koa ny faniratsirana mpitsara teny amin’ny tribune nitohy tao amin’ny tambanjotra sosialy tamin’ny nandresen’i Manchester United ny Psg teo amin’ny 1/8-ndalan’ny Champion’s League 2019 ka namoahan’ny Uefa sazy ho azy tsy mahazo miatrika lalao 3 voalohany amin’ny Champion’s League any Europe amin’ny taom-pilalaovana manaraka niampy ny fametrahan’andriambavilanitra fitoriana tamin’ny 01 jona 2019 teo noho ny resaka fanolanana natao taminy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT