Sport

Neymar Jr Voarohirohy amin`ny resaka fanolanana


  • Talata 04 Jona 2019

Mandeha be ny resaka mahakasika an’i Neymar JR, ilay kintan’ny baolina k itra Breziliana fa voarohirohy amin`ny resaka fanolanana izy.

Herinandro lasa izay, tovovavy iray, tany Sao Paulo Brezila, no nitory an`i Neymar Jr  ary efa mipetraka eo ampelatanan’ny manam-pahefana izany. Mandà izanykosa ity mpilalao baolina kitra ity, fa diso tanteraka ny voalazan’ilay tovovavy fa te-hamandrika ny tenany fotsiny ihany. Mbola namafisiny ihany izany omaly hariva tao amin’ny kaonty ‘Instagram’ tamin’ny alalan’ny horonan-tsary naharitra 7 minitra ,izay nilazany hoe : “Voapanga ho nanao fanolanana aho, amiko midika ho faniratsirana tanteraka izany, fa efa izay moa no zava-misy. Nahagaga ahy izany saingy tena mahatsiravina sy zavatra mampalahelo tokoa izany satria ireo mahafantatra ahy dia mahafantatra ny toetrako tsara fa tsy hahavita zavatra toy izany mihitsy ny tenako.”Nisy ihany koa fanambarana omaly fa nividy ny tapakilam-piaramanidina sy nanofa trano fandraisam-bahiny hoan’ity vehivavy ity ihany fotsiny no nataon’i Neymar fa tsy nahavita nanolana velively ilay tovovavy. Hoan’i Neymar hatrany, noraisiny ho hanatra ho amin’ny sisa izao tranga nahazo azy izao.  
 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT