Sport

Neymar Jr Tadiavin’ny Real Madrid halaina


  • Alatsinainy 15 Janoary 2018

Mandeha be ny resaka amin’izao fotoana fa te hahazo mafy an’i Neymar Jr mba hilalao ao amin’ny Real de Madrid ity klioba tarihan’i Zinédine Zidane ity.

 Nivoaka mihitsy aza ny feo fa hoe vonona ny hamotsotra an’i Ronaldo (CR7) ny Real raha toa ka izay no hahazoana an’i Neymar. Maro be moa ny siosion-dresaka momba ity farany ihany koa ny faran’ny taona teo ny amin’ny hoe tsy dia marisika firy intsony milalao ao amin’ny PSG satria tsy mahazo ambiansy tsara. Hifandona any Espana afaka iray volana ao anatin’ny ampahavalon-dalan’ny Champions League moa ny Real Madrid sy ny PSG. Fomba fiady ihany koa ny fanaparitahana vaovao tahaka izao hampivoraka ny ekipa mifanandrina amin’ny tena.

Hawai

Balafomanga, nampisavorovoro

Nikoropaka ny mponin’i Hawai ny sabotsy teo noho ny filazana fanairana fa misy balafomanga hidaraboka ao amin’ity nosikely ampahan-tanin’i Etazonia any amin’ny ranomasimbe pasifika. Naharay fampandrenesana amin’ny alalan’ny SMS tamin’ny finday ny olom-boafidy iray tany an-toerana ary dia efa nampandre ny olona mba hisitrika sy hiaro tena. Nivoaka indray anefa ny fanitsiam-baovao avy eo fa tsy marina ilay hisy balafomanga hidaraboka. Ao anatin’ny vanim-potoana mampafampana ny resaka eo amin’i Etazonia sy Korea avaratra no mitranga ity raharaha ity. Fifanandrifian-javatra fotsiny ihany ve sa …?

Facebook

Hiova endrika

Mety hananika ny 3 miliara dolara ny vola tsy maintsy havoakan’i Mark Zuckerberb atsy ho atsy amin’ny fanovana endrika ny “fil d’actualité” an’ny facebook, araka ny fanambarana nataony ny faran’ny herinandro teo. Hahena kokoa ny dokambarotra sy ny vaovao hivoaka ary efa mijery ny fomba hanatanterahana izany ny facebook. Maro mantsy ny fanakianana azon’ny facebook noho ny fanekeny hamoaka vaovao tsy mitombina na diso mihitsy aza, tato anatin’ny volana maromaro izay.

Tonizia

Misavorovoro indray i Tonizia. Tezitra amin’ny fampisondrotana ny hetra ny olona, fito taona aty aorian’ny nanonganana ny filoha Ben Ali. Feno ny kapoaka, tsy azo ekena intsony ny fahasahiranana, hoy ireo vahoaka midina an-dalambe. Anton’ny savorovoro ny fampiakaran’ny fanjakana ny hetra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2018. Mila tsy ho taka-bidy hatramin’ny mofo dipaina izay anisan’ny foto-tsakafon’ny Tonizianina ankehitriny. Takian’ireo mpanao fihetsiketsehana ny hanafoanana io tetibola ambaran’izy ireo fa mamono vahoaka io. Mananika ny 30% ny tahan’ny tsy fananan’asa ho an’ny tanora any an-toerana ankehitriny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT