Sport

Neymar Jr Leo ny « Ligue 1 » sahady ?


  • Alakamisy 09 Novambra 2017

Tsy nanatrika ny lalao nifanadrinan’ny PSG sy Angers ny sabotsy lasa teo ilay kintan’ny baolina kitra Breziliana Neymar Jr satria nambara fa tsy mbola salama tsara noho ny ratra nahazo azy tamin’ny fifandonana tamin’ny klioban’ny Anderlecth.

 Izay no fampitam-baovao ofisialy saingy milaza ny mpanao gazety Frantsay fa toa tsy dia mitombina firy io resaka ratra io fa mety efa i Neymar mihitsy no tsy dia mazoto firy amin’ny fihaonana eo anivon’ny Ligue 1 Frantsay. Ny antony dia satria mety latsaka ambany loatra ny lentan’ny Ligue 1 raha oharina amin’ireo firenena eoropeanina hafa toa an’i Espagne, Italie sy Angleterre ary kely ihany koa ny kianja hilalaovana ka tsy tena hahazoana ambiansa rehefa tena mandeha ny lalao. Mametra-panontaniana ny mpanao gazety Frantsay hoe : leon’ny PSG sahady ary ve, 3 volana taorian’ny nahatongavany tao ingahy Neymar ? Fantatra fa tsy dia tomombana tsara ihany koa ny fifandraisan’i Neymar amin’ny Emery izay mpanazatra azy ao amin’ny PSG ka mety mitambatra ao daholo izany rehetra izany ka mahatonga azy hifidifidy ny lalao ataony. Tsikaritra kosa anefa fa mazoto i Neymar Jr rehefa mahakasika ny Ligue des Champions ny lalao atao satria sehatra efa tena avo lenta io.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT