Sport

Neny teny Mahamasina Nanotrona sy nanome hery ny USCAFOOT


  • Sabotsy 04 Martsa 2017

Tonga nanotrona sy nanome hery ny ekipan’ny Kaomina Antananarivo-Renivohitra iadidiany, teny amin’ny kianjaben’i Mahamasika omaly zoma maraina, i Neny Lalao Ravalomanana

 niaraka tamin’ireo mpiasa marobe ao amin’ity fiadidian’ny tanàna ity izay nahazo andro tsy hiasana mihitsy tamin’io andro io ho fankaherezana ity ekipany ity izay niatrika ny andro faha-5 ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga eo amin’ny taranja baolina kitra. Noharahabain’ny ben’ny tanànan’Iarivo manokana taorian’ny lalao ity ireo mpilalaon’ny Uscafoot izay nahazo fandresena 3-0 nanoloana ny ekipan’ny Mi 20 nifanandrina taminy. Marihina fa nomena endriny manokana sy naverina amin’ny anarany Uscafoot indray ity ekipa ity ankehitriny ary niova daholo ihany koa ireo mpitantana azy tarihan’ny Kestoran’ny Antenimieram-pirenena, Guy Rivo Randrianarisoa, hampian’ireo depiote  mirahalahy : Randriamandimbisoa Felix 4è sy Randrianarisoa Stanislas 2è aryAtoa Radimiarisoa Richard na Dadafara ho filoha lefitra 3 miaraka amin’i Titi Rasoanaivo mpanazatra.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT