Sport

NBA – Etazonia Nodimandry i Kobe Bryant


  • Alatsinainy 27 Janoary 2020

Tahaka ny vara-datsaka ny nahafantaran’ireo mpankafy ny Basket -ball omaly fa nodimandry i Kobe Bryant, mpilalao nikoizana teo

 

 

 

anivon’ny Los Angeles Lakers sy ny NBA ary efa nosokajian’ny mpandinika sy mpahay fanatanjahantena maro fa mpandimby an’i Michael Jordan. Lozam-pifamoivoizana ana habakabaka tamina elikoptera no voalaza fa nahafaty, araka ny tati-baovaon’ireo haino aman-jery vahiny. Olona 4  no voatondro fa niara-nisidina taminy tao anatin’ilay angidimby izay nidaraboka tany Calabasas, tanàna iray any Los Angeles, Califonie - Etazonia omaly alahady, ary maty avokoa. Anisan’ireo mpilalao nanamarika ny tantaran’ny NBA i Kobe satria anisan’ireo mpilalao 7 nahafaty baolina 30 000 nandritra ny fotoana nilalaovany. Tsaroana ny fandresena in-telo misesy azony tao amin’ny LA Lakers niaraka tamin’i Raglady na i Shaquille O’neal (2000 – 2001-2002). Isa 81 be izao no nampidirin’i Kobe Bryant irery ny taona 2006 nandritra ny  nifanadrinan’ny LA Lakers ekipany, tamin’ny Toronto Raptors. Zava-bita tsara indrindra faharoa eo amin’ny tantaran’ny NBA taorian’ny nataon’i Wilt Chamberalin (100 isa) tamin’ny 1962. Azo ambara fa mpilalao feno izy satria samy nahazoany mari-pankasitahana avokoa na ny teo amin’ny fanafihana na ny fiarovan-tena. Olon’ny fampisehoana (spectacle) izay mampiavaka ny baskety Amerikanina ihany koa i Kobe Bryant. Mirefy 1,98 m izy, voasokajy ho anisan’ireo mpilalao NBA mivikina indrindra, manambady ary manan-janaka 4 izy ary ny laharana faha 8 avy eo ny fa 24 no nahafantarana azy tao amin’ny LA Lakers.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT