National de pétanque la Roche sur Yon

Norombahin’ny Malagasy ny amboara


  • Talata 01 Jolay 2025

Norombahan’ny Ekipa Malagasy « MADA1 » ny amboara nandritra ny «

National de pétanque la Roche sur Yon » andiany faha-18 notanterahana tany Frantsa ny 28 hatramin'ny 29 jona 2025 lasa teo.. 13-8 no isa nisarahana teo amin’ny lalao famaranana nanoloana ny ekipan’i Rocher Mehdi. Ny ekipa Mada II dia tafiakatra teo amin’ny dingan’ny manasa-dalana ihany koa saingy resin-dry Dylan Rocher tamin’ny isa 13-8. Hiatrika ny “Mondial d’exception de Fréjus” i Madagasikara ny 5 sy 6 jolay izao mialoha ny Masters de Pétanque ny 14 sy 15 jolay. Mipetraka hatrany ny maha sangany sy ikoizana eran-tany ny Malagasy amin’ny taranja tsipy kanetibe. Isika izay sokajiana ho brezilianina amin’io taranja io raha ampitoviana amin’ny lazan-dry zareo amin’ny kitra ny lazantsika amin’ny tsipy kanetibe.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT