Sport

Nathalie Rabe Nesorina tsy ho talen’ny seraseran’ny CAF


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Nisara-dalana ny filohan’ny kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF dia i Ahmad sy Rtoa Nathalie Rabe,

 

talen’ny serasera teo anivon’io rafitra io rehefa niara-niasa nandritra ny 2 taona teo ho eo. Ny 31 jolay lasa teo no voalaza fa nesorina tamin’ny toerany Rtoa Nathalie Rabe. Tsy fantatra mazava izay antony fa ny 17 jolay nandritra ny CAN tany Egipta, dia nisy ny fivoriana notarihin’ny filohan’ny CAF Ahmad sy ireo mpiara-miasa taminy, saingy tsy tao ny talen’ny serasera ary teo no nanomboka nihamafy ny ahiahy sy ny resaka fa nesorina izy, ary teratany Ivorianina Ouattara Hegaud no misahana ny andraikitra. Namaly i Nathalie Rabe tao amin’ny Twitter taorian’io, fa mbola manao ny asany tsara, ary miantsoroka ny dosien’ny CAN” tamin’io. Omaly kosa dia nandefa hafatra tao amin’ny Kaonty Twitter izy hoe: « Dernier jour, Fière d’avoir été la première à occuper ce poste. Fière des réalisations malgré allouées ou non allouées. Vive le foot-ball Africain ! Vive l’Afrique ! », izay nanehoany fa andro farany ho azy tamin’io andraikitra io ny omaly, reharehany ny naha vehivavy voalohany azy nitazona io andraikitra io. Anisan’ireo niaro sy nanao ny serasera niarovana an’i Ahmad tamin’ireo raharaha nafampana tao amin’ny CAF izy, saingy tsy fantatra mazava hatreto ny anton’ny fisarahan-dalana. Ara-politika, efa minisitry ny serasera i Nathalie Rabe tamin’ny tetezamita (2009-2010), fa nialoha izay, dia tao anatin’ny Antoko Leader Fanilo, izay naorin’Itompokolahy Herizo Razafimahaleo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT