Sport

Natathlon - Trophée Lucien-zins : Tafita hiatrika ny famaranana any Frantsa i Nomena


  • Alakamisy 25 Martsa 2010

Fahombiazana no vokatry ny fiatrehan’i Andrianirina Lalanomena Anthony, mpilomanon’ny Esca sady mikambana ao amin’ny klioba Moufia Aquatik any La Réunion, ireo andiany roa tamin’ny fifanintsanan’ny fifaninanana lomano ho an’ny sokajy benjamin na ny natathlon ny faran’ny volana janoary sy febroary teo.

Araka ny tatitra azon’i Nomena avy amin’ny mpanazatra azy any La Réunion dia tafiditra ao anatin’ireo 100 laharana voalohany i Nomena amin’ireo departemanta roapolo mahery nandray anjara amin’izao fifanintsanana ka hifantenana ireo mpilomano 160 mendrika indrindra hiatrika ny fifaninanana Natathlon nasionaly am-pisalorana ny anarana hoe : «Trophéee de Lucien-zins» hatao any Dijon Frantsa ny 5-6 jona izao. Mbola hisy andiany fahatelo farany moa ny fifanintsanana ny 28 martsa izao ka hanainga rahampitso indray i Nomena ary hiezaka ny hanatsara ny fotoana efa vitany tamin’ny karazan-domano 100mNL, 50m Dos ary 50m Papillon. Ankoatra ireo dingana telo amin’ny fifanintsanan’ny natathlon ireo dia mbola hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’ity Nosy rahavavy ity ho an’ny sokajy benjamin koa i Nomena ny 9 mey izao ary tokony hanaraka fampivondronana miaraka amin’ireo mpilomano voafantina ao anatin’ireo 160 mendrika indridra avy amin’ireo DOM-TOM frantsay rehetra any La Réunion mialoha ny hihazoany an’i Frantsa ny 1 jona. Raha mahavita fotoana tsara moa i Nomena any Frantsa dia afaka hiatrika ny fifaninanam-pirenena frantsay sokajy benjamin manomboka amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Tsara koa ny manamarika fa voakilasy faha-18 amin’ny filaharana nasionaly «open» ny tovolahikely na dia vao 11 taona monja aza tamin’ilay fifaninanana fitsapana nataon’ny federasiona ny alahady teo.

 Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT