Sport

Natathlon – Dingana Faharoa Nampisongadina ny “Moufia Aquatik” i Nomena


  • Alarobia 10 Martsa 2010

Mbola tsara hatrany aloha ny vokatra azon’i Andrianirina Lalanomena Anthony izay miatrika ilay fifaninanana lomano ho an’ireo sokajy zandriny na ny “natathlon” izay efa niditra tamin’ny dingana faharoa ny fifanintsanana ny 28 febroary teo tao amin’ny dobo filomanosan’i St André mirefy 50 metatra any La Réunion.

Karazam-pifaninanana telo samihafa indray no nosedrain’i Nomena tamin’io dingana faharoa io. Anisan’izany ny 50m dos izay nahavitany fotoana 36’’45 ary nahalaharana fahadimy ny tovolahikely ary nanatsarany ny zava-bitany teo aloha (39’’28). Nohatsarainy ihany koa ny fotoana nahavitany ny 50m papillon izay lasa 33’’52 ary nahazoany ny laharana faharoa raha 34’’35 ny zava-bitany volana vitsy lasa izay. Laharana fahatelo kosa i Nomena teo amin’ny 400m quatre nage ka 5’47’’46 ny fotoana vitany.

Nampiaiky ny mpitantana ny klioba “le Moufia Aquatik” any Ste Clauthilde, izay misy azy nanomboka tamin’ny novambra 2008 teo mihitsy moa ny zava-bitan’i Nomena. Hiroso amin’ny dingana fahatelo farany ny fifanintsanana amin’ity fifaninanana natathlon any La Réinuion ity ny 28 martsa izao ary aorian’izay no hamaritana ireo mendrika rehetra afaka hiatrika ny fifaninanana rezionalin’ity nosy ity amin’ny fiandohan’ny volana mey. Izay sangany tafavoaka eo kosa no hisolo tena an’i La Réunion amin’ny fifaninanana nasioaly hatao any Frantsa ny 5-6 jona izao.

 
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT