Sport

Naratra i Abel Anicet Tsy afa-miakatra kianja telo herinandro


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Naratra tamin'ny fanazaran-tena nataony tao amin'ny klioba izay ilalaovany dia ny Ludogorets Razgrad any Bulgarie ny kapitenin'ny Barean’i Madagasikara Abel Anicet ny zoma lasa teo.

 

 

Maharitra eo amin'ny 3 herinandro eo ho eo ny fitsaharana tsy ahafahany miakatra eny ambony kianja. Mazava ho azy fa tsy ho eo izy amin'ny fampivondronana izay hatao eto France amin'ny voalohan-dohan'ny volana oktobra, hoy ny Mpanazatra Nicolas Dupuis, izay niresaka taminy. Ho eo sy ho tafiaraka amin’ny Barea soamantsara kosa izy amin’ny fihaonana amin'ny Côte d'Ivoire (9-17 novambra), hoy ny mpanazatra. Nambarany fa mahakasika ilay fampivondronana indray dia any Luxembourg no mety hanatanterahana azy raha ny safidy noho ny fahatahorana an'ilay covid-19. Ny olona any koa mahay mandray olona rahateo, fa indrindra indrindra mba mampihena ny vola mivoaka avy amin'ny fanjakana Malagasy, hoy i Nicolas Dumpuis. Mirary fahasitranana haingana ho an'i Anicet Abel isika rehetra, hoy izy namarana ny hafatra nataony. Nirarakopana moa ny firariana fahasalamana haingana ho an’i Abel Anicet tamin’ny tambajotran-tserasera, ary efa naneho fisaorana sy fankasitrahana ity Kapitenin’ny Barea ity.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT