Nangotraka ny ady baolina teny Ambohimanarina

Nanolotra omby, ondry, vola, ary kalisy ny depiote Todisoa


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2023

Nangotraka indray ny ady baolina kitra tetsy amin’ny Kianjan'i Todisoa Ambatolampy Ambohimanarina)omaly alahady 27 aogositra 2023.

Notanterahina io omaly io ny famaranana lehibe sy fiadian-toerana ho an’ireo sokajy rehetra nanaovana fifaninanana, ka ny Depiote Todisoa Andriamampandry hatrany no mpiahy izany. Tsy mpiahy sy mpanohana fotsiny fa tena mpandray anjara mihitsy ingahy depiote omaly, tahaka ny efa hita mahazatra. Taorian’ny fahaperan’ireo lalao, nanolotra omby, ondry, lelavola, kalisy, baolina ho an’ireo ekipa ny tenany, ka sahazo ny anjarany avokoa na ny voalohany, na faharoa, na fahatelo tamin’ireo sokajy nifaninanana na ny “Séniors”na “Juniors” na “Vétérans”. Tahaka ny mahazatra, tonga navitrika hatrany ny vahoakan’Ambohimanarina satria faran’ny herinandro tsy fiasana rahateo, ka sady fialam-boly no fanohanana ihany koa ireo mpitia fanatanjahantena. Isan’ireo boriborintany mahoraka amin’ny hetsika ara-panatanjahantena rahateo ny Boriborintany fahaenina. Nanamafy fa manohana hatrany ny tanora sy ny fanantajahantena ny Depiote Todisoa, ary mitondra ny anjara biriky araka izay azo atao mba ho fivoaran’ny tanora sy ny vahoakan’Ambohimanarina. Tsy vao sambany rahateo ny tahaka izao, fa efa fanaony matetika, ary misy fotoana aza hitondrany ireo tanora mpitia fanatanjahantena mendrika, mandeha mandrato lalao any amin’ny faritany. Maro ihany koa ireo asa sosialy fanaony satria vao avy nahavita ny didipoitra faobe taorian’ny “cours” maimaimpoana ho an’ireo niatrika fanadinana bakalorea, ankoatra ireo hetsika hafa tsy ho ary ho voatanisa.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT