Sport

Nandresy ny Barea Vita ny valin’ady tamin’i RD Congo


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2021

Nanokatra ny fandresena voalohany ho azy amin’ny fifanintsanan’ny « Mondial 2022 » ny Barean’i Madagasikara omaly ho an’ny lalao faha-4, izay nifanandrinana tamin’i RD Congo.

Io ihany koa ny fandresena voalohany ho an’ny ekipam-pirenena teo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina taorian’ny faharesena 1-0 nanoloana an’i Bénin tamin’ny lalao voalohany ny 2 septambra lasa teo. I Njiva Rakotoharimalala N°10 no nitondra ny fandresena ho an’ny Barean’i Madagasikara, vao teo amin’ny minitra faha-2 nilalaovana, tamin’ny alalan’ny tolotra nataon’i Voavy Paulin tany amin’ny sisiny ankavanana. Nisy fiovana lehibe ny fampijoroana ireo mpilalao 11 voalohany, ka nisantatra ny naha tompon-toerana azy voalohany amin’ny maha mpiandry harato i Mathyas Randriamamy. Najoro avy hatrany ho tompon-toerana tao amin’ny vodilaharana afovoany i Fabien Boyer Mpilalaon’ny Excelsior atsy La Réunion, izay ny sabotsy tolakandro no tonga teto Madagasikara. Napetraka ho tompon-toerana i Fabrice teo amin’ny lohalaharana, ary najanona ho mpanafana seza kosa I Hakim Abdallah. Nampitaintaina tanteraka hatrany amin’ny minitra farany ny lalao satria niezaka nanafika hatrany ny Congolais, saingy hita ho nirafitra ireo vodilaharana Malagasy, nanao ny ainy tsy ho zavatra ry Fabien Boyer, Metanire, Mamy Gérvais, Bapasy,… nampian-dry Rayan sy Marco tao afovoan-kianja izay sady niaro no nanafika. Napetraka ho somary vodilaharana sady nitarika fanafihana avy any amin’ny sisiny havia ihany koa I Lapoussin. Nahita “corners” miisa 8 ny Congolais, raha toa ka tsy dia nisy baolina natahorana firy hiditra tamin’ny haraton’I Mathyas Randriamamy, izay roa na telo raha be indrindra tamin’ny fizaram-potoana voalohany. Vao niditra ny fizaram-potoana faharoa, nampidirina nanolo an’I Paulin I Arnaud mba hitondrana aina vao ho an’ny fanafihana. Tany amin’ny faha-80 minitra nivoaka I Njiva nampidirina I Ahmada mba hanamafisana ny fiarovana ny tombon’isa. Saika nahasala ny isa ny Congolais teo amin’ny minitra faha-84, rehefa nisy baolina nifanjevoana. Efa tany amin’ny 90 minitra kosa no nesorina I Boyer, nampidirina I Abdallah, ary Fabrice kosa nosoloina an’i Hery Bastien. Nampimenomenonana ny Congolais io satria efa tao anatin’ny fanampim-potoana. Nafampana ny fifandonana, ary niafara tamina gidragidra satria tsy levon’ny vavonin’ny Congolais ny fahareseny.


Miha midina ny herijikan’ny Congolais izay resintsika satria iray ihany no ho tafavoaka Vondrona hanao lalao sakana. Hatreto, mitana ny laharana voalohany ao amin’ny Vondrona J ny Tanzanianina manana isa 7, taorian’ny fandresen’izy ireo an’I Bénin 1-0 omaly atoandro, manana isa 7 ihany koa ny Béninois eo amin’ny laharana faha-2, ary fahatelo I RD Congo manana isa 5, ary faha-4 isika manana isa 3. I Tanzanie sy Bénin no hifandona amintsika amin’ny lalao roa farany. Somary kely ny herijika, saingy ahafahana manomana sahady ny fifanintsanan’ny CAN 2023 ny lalao ho an’ny Barea, izay hita sy tsapa ho mivoatra na eo aza ny olana sy ny hagegen’ny mpitantana miady an-trano.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT