Nandravarava ny Ankoay U18

Tafita hiatrika ny dingana


  • Zoma 31 Jolay 2026

famaranan’ny Afrobasket

Nazava ny lalana, tsara ny vokatra ! Fahombiazana tanteraka ny an’ny ekipam-pirenena malagasy taraja basikety sokaly lehilahy latsaky ny 18 taona na ny Ankoay U18, tao anatin’ny fifanintsanana tao anatin’ny Zone 6. Tafita hiatrika ny Afrobasket U18 na ny andiany faha-25 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika atao any Côte d’Ivoire ny 5-16 aogositra ny Ankoay, noho ny fahombiazana lehibe. Fandresena 4 tamin’ny lalao 4 no azon’ny ekipa Malagasy izay tena nandravarava. Nanamontsana an'i Namibia (115-31) tamin'ny lalao voalohany, nanamafy izany tamin'ny fandresena an'i Zimbabwe (88-44), ary mbola niverina namiravira an’i Namibia tamin'ny isa 111-33 indray. Mbola nandresy fanindroany an’i Zimbabwe 84-45 indray isika omaly ho an’ny andro afarany. Teo amin’ny fandresena fahatelo dia efa nazava ny làlana sy ny tapakila hiatrehana dingana famaranan’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sokajy U18. Irariana ny hahazoana vokatra tsara ao anatin’io, ka hahafahantsika miatrika indray ihany koa ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany toa ny 2022 naha tompondaka lefitra antsika taty Afrika, ka nahafan-dry Mathias M’Madi niatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany. Ireto avy ireo mandrafitra ny ekipam-pirenena U8 : RASETRIARIVONY Harinosy A Ranty, RAZAFINDRAMBININA Norojana Mathieu, RAKOTOZAFY Tsiorry Ulrick, MARIKO Cheick Oumar Aina, RAVELOARISON Emerick Nandrasana, HANAFFI Abdoul Yvan, RAVELOSON Havanirinina Theidy, ANDRIANILAINA Miharisoa Mikaewan, NDRIANA Tsiriniaïna Yoanns, PELIMARO Nathan Andriana, RAHERIVOLANIAINA Herhodi Khenyo, RAOLOMPANATENA Thesbon Matazaky. Mitarika sy manazatra azy ireo kosa RASAMOELINA Tojohehy RANDRIAMAROMANANA Ricky DONGA Jerry Hermann.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT