Sport

Nanao pao-droa, ny alakamisy 24 aogositra teo, ny ekipan’ny Bayern Andrefan’i Mananjara teo


  • Sabotsy 26 Aogositra 2017

amin’ireo lalao famaranana ny baolina kitra “tournoi de vacances 2017” nokarakarain'ny club 3FA Avaradrano

. Ny depioten’Avaradrano, Andriamitantsoa  Benjamin Andriamitantsoa, no tonga nanome voninahitra ny hetsika sy nanolotra ireo amboara rehetra hoan’ny Ffb Antsirabe  (U 10), Zamia/Rfb Atsimondrano  (U 17), 3fa Avaradrano (vehivavy) ary ny Bayern (U 13 sy U 15).

 

Tafita hiatrika ny lalao 1/2-famaranana avy hatrany ny ekipan’ny Askam sy ny Aso tao amin’ny vondrona A amin’ny lalao kitra vehivavy « Division Elite » andiany faha-2 raha nandresy avy ny Prescoi 6-0 sy ny Mifa 3-2 tamin’ny andro faha-2 notontosaina omaly alahady 27 aogositra 2017. Fiadian-toerana voalahany sisa ny andro faha-3. Ny Ac Sab Nam nandresy ny Ascuf 5-0 kosa no efa tafita ao amin’ny vondrona B hiaraka amin’ny Ascuf na Som.

 

Afa-tsy ny Ajesaia  Bongolava izay resin’ny Fc Rabaza Atsimo Atsinana 1-0 dia saika tafakatrahiatrika ny 1/8-ndalana ho tontosaina ny 24 setambra 2017 avokoa ireo kalaza toy ny Tanà Formation, Elgeco Plus, Fosa Juniors Boeny, Cnaps Sport Itasy sy Analamanga, Zanakala Fc, As Adema, Usacafoot, Cosfa, Jet Mada, Mama Fc, Black Star V7V. Ny lalaon’ny Tam  Port-Berger sy ny Osba Ambanja dia nahemotra amin’ny 17 septambra izao.

Nanomboka ny sabotsy 26 aogositra 2017 teo any Ambositra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2017 taranja basikety sokajy U 16 zatovolahy sy zatovovavy. Tsy hifarana izany fifaninana izany raha tsy ny alahady 3 septambra ho avy izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT