Sport

Nanao ampamoaka i Bolida « Tsy noraharahian’ny FMF aho »


  • Alarobia 10 Martsa 2021

Nitantara tamin’ny antsipirihany ny antony tsy hamelan’ny Kliobany azy hamonjy ny ekipam-pirenena i Nomenjanahary Lalaina na Bolida omaly.

 

 

 « Tsy afeniko anareo, fa vao avy naratra tamin’iny aho, mamoaka ny alaheloloko aho eto, fa tsy nisy na olona iray mba nahatsiaro ahy tamin’iny faharatrana iny. Nisy mpitondra tao, ary ny rafitra nandehanako tany amin’ny ekipam-pirenena, ny federasionina Malagasy tsy nisy na iray aza ankoatra ny mpilalao tonga nankahery na nitsidika ahy tany amin’ny efitra nisy ahy mandra-pandehan’izy ireo ny ampitson’iny. Tsy nisy na olona iray aza nanontany hoe ohatran’ny ahoana. Misy ny « staff médical » ao amin’ny Barea ary zavatra lojika be izany hoe liana amina faharatran’ny mpilalao iray ireo, tsy nisy anefa na « kinésithérapeute » iray na dokotera iray tonga nanontany hoe nanao ahoana ianao Bolida? », hoy izy. Vao tonga tao Paris dia voaantson’ny Klioba satria manaraka amin’ny fahitalavitra foana izy ireo, ary nanontany hoe inona no nahazo anao ? Voaantso tao amin’ny biraon’ny mpanazatra, teo ny Tale ara-panatanjahantena sy ny Talen’ny Paris FC, ary tsy afeniko fa bedy be aho tamin’izay satria mpilalao salama tsara no nalefa niala tao, saingy miverina avy any mitondra tehina. Fantatro fa manana ny marina izy. Niteny ny Paris FC hoe anontanio ny FMF hoe manana fiantohana ve izy satria tsy adidin’ny Paris FC, saingy tsy nisy nahatsiaro. Voateniteny be aho, ary nitarika ny Paris FC tao amin’ny Ligue 2, nilaina I Bolida izay tompon-toerana foana. Ny tena tsy zakako dia nahazo teny aho: “Tadidio Lalaina, fa izahay no mamelona anao, izahay no mamelona ny vady aman-janakao, ary tena marina be izany satria izahay tsy mahazo na 1euro aza avy amin’ny federasionina”. Ny tiako ahatongavana, dia misy ny miteny hoe mampifilafila, fa raha mampifilafila izahay efa ela no nijanona tao anatin’ny ekipam-pirenena. Tsy fantatrareo ny zavatra ao anaty ekipam-pirenena, ka aleo tsy miteny rehefa tsy mahalala. Tsy mahazo izahay, raha tsy hoe eo angaha ny Filoha manao “prime de match”, hoy izy. Raha faran’izay mahazo izahay 100euros. Hevitro manokana izany. Nahazo “Kiné” sy fitaovana hamerenana haingana ny tanjaka avy amin’ny Paris FC manokana aho ary niantso ahy isan’andro izy ireo. Tsy nisy niraharaha aho ankoatra ny mpankafy. Nanapa-kevitra ny mpitantana hoe, izahay ve no mamono ny voay dia ianareo no hiravaka ny vanginy. Nantsoin’ny mpanazatra, ary naneho fahavononana foana. Misy lalao izy ireo ny 03 aprily, ary efa tsy nanao lalao 15 I Bolida, ary tsy sitraky ny Paris FC ny mbola tsy hanaovany ny lalao manaraka. Naneho ny hikarakarany sy hanohanany an’i Bolida hatrany Paris FC.

AFAKA TSY MANDEFA NY MPILALAONY NY KLIOBA

Namoaka lalàna vaovao ny FIFA hoe azon’ny Klioba atao ny tsy mandefa ny mpilalaony any amin’ny ekipa Nasionaly. Tsy fantatra izay ataon’ny Klioba hafa toa ny misy an’I Rayan, Morel,… izay irariana mba havelan’ireo klioba, hoy I Bolida.Nirary soa ny Ekipam-pirenena I Bolida, ary naneho fa tsy misy fampilafilana, fa raha ny sitrapony dia nandeha izy, saingy azonareo ny toerana misy anay, hoy ity mpilalao ity. Endrika maneho io, fa marary sy olana ny Barea!

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT