Nahazo medaly volamena indray i Laura

Lalao olympika any Parisy no tanjona


  • Zoma 15 Martsa 2024

Championne d'Afrique Junior 2023» na tompondakan’i Afrika teo amin’ny

sokajy zandriny 2023, «Championne d'Afrique senior 2023», izany hoe mbola tompondaka koa teo amin’ny sokajy zokiny, «Medaille d'or Jeux Africains 2024", izany hoe, nahazo medaly volamena indray fa amin’ny lalao afrikanina izy ankehitriny. Andihizan'i Laura Rasoanaivo ny Taranja Judo latsaky ny 70kg eto Afrika, araka izany. Raha efa voasokajy ho tsara toerana hahazo ny medaly volamena tamin'ity lalao afrikanina ity izy dia tsy nandiso fanantenana. Mora ho azy ny nandeha tamin'ny lalao famaranana omaly ary nandrombaka ny laharana voalohany. Ny avy atsy Kameronina, Zita Ornella, moa no nifandona taminy teo amin'ny lalao famaranana. Medaly volamena faharoa ho an'ny malagasy ity taorian'i Eric Andriantsitohaina, teo amin'ny Halterophilie na fibatana fonjamby. Ny tanjon'i Laura moa amin'ity taona ity dia ny lalao Olympika any Parisy ary efa miomana mafy ho amin'izany ny tenany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT