Sport

Nafana ny fandraisana ny BAREA Andrasana ilay « prime » nampanantenaina


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Tonga omaly ny Barea ary notsenaina tamin'ny fomba makotrokotroka nanomboka teny Ivato ka hatrany amin'ny kianja ben'ny Mahamasina.

Tomefy olona ny lalana nandalovan'ireo mahery fo. Adiny telo vao niditra ny kianja izay efa hipoka ny Barea sy ireo mpanaraka azy ireo. Tena fety be da fety be araky ny fiteny mahazatra ny maro. Raha naneho fisaorana ny rehetra ny kapiteny Tantely sy ny mpanazatra Roro dia niavaka kosa ny fandraisam-pitenenan'ny Filoha Andry Rajoelina satria rehefa avy nisaotra nivantana ireo mpilalao izy ary niavaka mazava ho azy ny an'i Tsiry izay mitondra ny laharana faha 13 ary nahafaty ny baolina teo amin'ny minitra faha 13. Nolazainy koa avy eo ny faniriana hanao fifaninanana hiadina ny tompondaka any amin'ny faritra rehetra. Hevitra tsara saingy mety hanimba indray ilay Pro League izay tena angady nanana izao fahombiazana Izao. Tena tsy lavitra tokoa mantsy ny Barea raha niondrika tamin'ny isa 1noho 0 teo anoloan'ny Liona Sonegaly izay nibata ny amboara raha nanilika ny Alzerianina teo amin'ny fandakana penalty (5-4). Nitohy nandritry ny hariva ny lanonana teo Mahamasina na dia nisy ihany aza ireo nody aloha noho ny tsy fandriampahalemana. Nofaranana tamin’ny afomanga ho mariky ny fifaliana, hoy ny Filoham-pirenena izay nampanantena fa tsy maintsy ho raisina eny amin’ny lapam-panjakana ary ho tolorana mari-boninahitra ny Barea satria nitondra ambony ny voninahim-pirenena. Mbola mitodika any amin'ny federasiona ihany koa ny mason'ny rehetra mikasika ny fomba hizarana Indray ilay 500 000 dolara ; fa mbola eo ihany koa ny fampanantenana fanomezana ara-bola na « prime » ho an’ny ekipa, dia samy miandry moa.Eo mahita azy e !

Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT