Sport

Mponin'Ambodiranon’Ambilona “Vonjeo fa tadiavina horobaina ny tanindrazanay”


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Miantso vonjy amin’ny ambaratongam-pahefana isan-tsokajiny ny mponina an-jatony maro ao amin’ny Fokontanin’Ambodiranon’Ambilona, Kaominina Ambohidronono, Distrikan’i Moramanga.

 

 Misy olona mahitahita mibodo sy manao an-keriny ny tanin’izy ireo, ka 70ha amin’ny 175 ha no efa nofaritany, hoy ny fitarainana. Tany nindramin’ny vazaha nambolena sy nitahirizina omby izy io tany aloha, ary naverina tamin’ny vahoaka rehefa lasa izy ireo. Tsatohana izay sokajiana ho “baorina fotsy”” ny tany satria rehefa jerena any amin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany, dia tsy mbola misoratra aminy ara-dalàna velively io, hoy ireo mponina. Efa tamin’ny taona 1973 ny Ray aman-dReniko no nanajary an’io, tamin’ny taona 1977 aho no teo, ary 10 mianadahy ny zanako, ka aiza no halehanay sy hiafaran’ny taranako, tadiavin’ny mpanam-bola hofangitana tsotr’izao ny tany, hoy ny Raim-pianankaviana iray. Mody ataony ataony kelikely no faritana, kanefa rehefa nojerena tany amin’ny Fananan-tany ny katsahany hofangoina, dia voafaoka ao avokoa ny tanin-drazan’ireo vahoaka, ny fasana, ny tanimboly, tanimbary,… raha ny ambaran’izy ireo. Velon-taraina ireo mponina eo anatrehan’ny tsindrihazolena satria izay sahy mijoro hanohitra ny tsy rariny, dia rahonana hogadraina, hoy ny fitarainan’izy ireo. Efa am-polony no tratran’izany, ary vao tsy ela no nisy nolazainy fa nandrahona azy tamin’ny antsy sy famaky, ary tadiavina hogadraina ankehitriny, hoy ny fanazavana. Mba efa manana ny hoenti-manana kely amin’ny fanoratana ny taniny izahay, ka ampio, aza avela hobodoin’ny mpanam-bola ny taninay, fa havereno aminay, jereo izahay madinika fa tratry ny tsindrihazolena, hoy ny antso avo amin’ny ambaratongam-pahefana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT