Sport

Mpitsara basketball Malagasy « En Ligne » no hiatrehan’izy ireo fanadinana iraisam-pirenena


  • Zoma 04 Janoary 2019

Mpitsara lalao basikety baolina Malagasy miisa 10 avy amin’ny ligin’ny basikety any Diana, Boeny, Atsinanana, Matsiatra Ambony, Vakinankaratra ary avy eto Analamanga no nisoratra anarana hiatrika ny fanadinana hampanaovin’ny FIBA

 

 

“Federasiona Iraisam –pirenen’ny basketball” hahazoana ny diplaoma “Arbitre Intenational” hahafahana mitsara lalao iraisam-pirenena. Araka ny fanazavana nomen’ny Sekretera Jeneralin’ny kaomision’ny mpitsara basikety Malgasy, Andriamananoro Andry, dia amin’ny faran’ny volana janoary 2019 izao no halefa FIBA  ny anaran’izy ireo ka amin’ny volana martsa 2019 izy ireo no hiatrika ny fanadinana  “En Ligne” hampanaovin’ny FBA mivantana sy ny “Epreuve physique” hampanaovin’ny CCA Malagasy ka halefa Vidéo any amin’ny FIBA ihany koa. Amin’ny volana jona 2019 no hivaly izany fanadinana izany ka hahafahan’izay afaka hitsara lalao iraisam-pirenena mandritra ny 2 taona dia miverina manao fanadinana indray avy eo. Marihana fa tafiditra ao anatin’ireo  hanao fanadinana indray ireo mpitsara 3 mianadahy, Ranaivoson Haja sy Andrianiaina Sandratra ary Yann Vezo, noho ny efa nahavitan’izy ireo ny 2 taona nifanarahana amin’ity 2019 ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT