Sport

Mpitia baolina kitra Malagasy Hianoka lalao iraisam-pirenena 3 be izao ato ho ato


  • Talata 13 Novambra 2018

Ny ekipan’ny Fc Platinum avy any Zimbabwé no hifanandrina amin’ny Cnaps Sport Madagascar amin’ny lalao savaranonandon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika andiany faha-23 eo amin’ireo

ekipa tompondaka raha  ny ekipan’ny Deportivo Unidad avy any Guinée Equatoriale kosa no hifampitana amin’ny Elgeco Plus Madagascar eo amin’izay lalao savaranonando izay ihany fa ho an’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika andiany faha-16 kosa. Samy eto amintsika no hanatanterahana an’ireo lalao mandroso ka ny efa azo antoka dia eny amin’ny kianjan’i Vontovorona no hanatanterahana ny fihaonan’ny Cnaps Sport sy ny Fc  Platinum  Zimbabwé amin’ny alarobia 28 novambra 2018 izao ary ho etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina kosa no handraisan’ny Elgeco Plus ny Deportivo Unidad  Guinée Equatoriale mety ho ny talata 27 na alarobia 28 novambra izao ihany koa. Ny talata 4 sy alarobia 5 desambra 2018 kosa no hanatanterahana an’ireo lalao miverina any Zimbabwé sy any Guinée Equatoriale.

Tsiahivina ihany fa eny amin’ny kianjan’i Vontovorona koa amin’ny alahady 18 novambra 2018 no handraisan’ny Barean’i Madagasikara ny ekipam-pirenen’i Soudan eo amin’ny fifanintsanana amin’ny CAN 2019.

 

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT