Sport

Mpitahiry ny Hasimpiandrianan’i Madagasikara Miantso an’ireo raiamandreny ara-drazana hiady amin’ny coronavirus


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Sarobidy ny aim-bahoaka, indrindra manoloana ireo valan’aretina samihafa miseho maneran-tany ka singanina amin’izany ny “coronavirus”. Fitsinjovana

 

 

 

izany amin’ny ankapobeny no hanaovana ireo fomba maro isam-paritra ho amin’ny fanajariana ny hasim-piandrianan’ny tany sy ny fanjakana ary ny vahoaka. Fanao isan-taona eto Imerina ny Andro Fandroana ho fanandratana izany. Hiavaka ny amin’ity taona 2020 ity na ny andro na ny fomba fanatanterahana na ny fanehoana izany, tsy hisy mihitsy raha bangoina tokana ny fomba fandroana karakarain’ny tranoben’imerina. Antony, tsy fanandratana no hatao mandritra io vanimpotoana io fa kosa fiarovana manoloana ny areti-mandringana mitranga amin’izao fotoana, araka ny fanambaran’ny Mpitahiry ny Hasimpiandrianan’i Madagasikara ao amin’ny Tranoben’Imerina ao Ambohimanga Robert Randrianantoandro Andriamahary.  Hifanaraka amin’izany fomba atao izany ihany koa ny fanaka masina avoaka ny Tranobe hifandrindra amin’ny vavaka atao. Efa hatry ny fahagola no nananan’ny foko tsirairay fanaka masina mifanaraka amin’ny zava-misy amin’ny tany sy ny fanjakana, hoy ny fanazavany, saingy tsy mateti-pivoaka izy ireo. Tsy tena mazava ny fandraisana andraikitra ataon’ny fitondram-panjakana mikasika ny fiarovana ny mety ho fidiran’ity tsimok’aretina ity eto Madagasikara  ka izany no iantsoany an’ireo raiamandreny ara-drazana manerana ny nosy hampiasana ny hery ananan’ny tsirairay avy hiarahana miady amin’ity areti-mandringana amin’izao fotoana izao ity. Tsy manova ny tetiandro nambara tamin’ny fiatombohan’ny taona kosa ny zava-mitranga ankehitriny.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT