Sport

Mpilalaon’ny Club M sy Scorpions de Madagascar fahiny Hiakatra ny kianja indray


  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Avy amin’ny tsirin-kevitr’i Menakely Ruphin no nanambarany fa hatsangana tsy ho ela ny fikambanan’ireo mpilalao fahiny nandrafitra ny Club M sy ny Scorpions de Madagascar tamin’ny fotoan’androny.

 

 Amin’ny sabotsy 27 aprily izao manomboka amin’ny 4ora tolakandro dia hiakatra kianja etsy amin’ny “Stadium Elgeco Plus” etsy Dorodosy-Ambohijanaka By Pass izy ireo ka hikatroka amin’ny ekipa veteran AFC Ambiance avy any Antalaha izay manoman-tena fatratra ihany koa fa hiatrika  lalaom-pirahalahiana 4 atsy amin’ny nosy La Réunion manomboka amin’ny 2 mey 2019 izao. Azo antoka, hoy i Menakely Ruphin, ny ahitan’ny mpitia baolina kitra eto Antananarivo indray an-dry Me Kira, Abdou, Clément, René, Dezy Monstre,  Franck, Mamisoa, Menakely, Tipeh  … Nohafarana koa, hoy izy, i Lanziz sy Alban any Mahajanga fa asa na ho tratran’izy ireo ny sabotsy na tsia. Marihina fa tsy hisy vidim-pidirana io lalao io.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT