Mpilalaon’ny Barea

Naratra mafy i Melvin Adrien


  • Alatsinainy 18 Desambra 2023

Ho sahirana indray ny Barea hitady izay hatao mpiandry tsatokazo amin'ireo lalao kasaina hatao ny volana Marsa io.

Naratra mantsy i Melvin Adrien ny faran'ny herinandro teo raha nihaona tamin'ny RC Pays de Grasse ny Thonon Evian hilalaovany. Vao 8 minitra monja dia voadona mafy ny lohaliny ary dia ny mpamonjy trano may no nitondra azy tany amin'ny hopitaly. Maharitra am-bolana maro ny fitsaboana azy araky ny fanambaran'ny Thonon Evian azy. Ho sarotra ny raharaha satria i Nina koa dia mbola tsy afaka hilalao. Asa anefa fa ny fahavoazana ho an'ny sasany mety ho fifalian'ny hafa ka raha tsy lasa amin'izao i Allan Rakotovazaha dia tsy fantatra intsony. Misy ilay Rapeto be ao amin'ny Paris FC iny anefa efa milaza vonona hanao Barea. Teva Gardies no anarany ary mirefy 2 m 02 izy. Miankina amin'i Bolida anefa izany ary inoana fa tsy ho sarotra. Ny mampiahiahy kely anefa dia hoe ngeza be ity mpilalao ity ka sao dia...ariary be.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT