Sport

Mpilalaon’ny Barea Naneho fiaraha-miory tamin’ny fianakavian’ny maty


  • Talata 11 Septambra 2018

« Izahay Mpilalao Barea dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana niharam-boina ary mirary fahasalamana haingana ho an’ireo naratra ».

 

 

Io no teny nentin’i Andriatsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea, tao amin’ny pejy fesibokiny, tamin’ny anaran’ireo mpilalao namany ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy nanehoana fiaraha-miory amin’ny fianakavian’i Harilanto, ilay tovolahy namoy ny ainy, vokatry ny fifanosehana hiditra ny kianjaben’i Mahamasina ny alahady 9 septambra teo, hijery ny lalao nifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipam-pirenena Senegaley. Tonga nametraka voninkazo teo amin’ny vavahadin’ny kianjan'i Mahamasina nitrangan’ny loza, omaly, ny solontenan’ny Barea notarihin’i Faneva Ima ho fahatsiarovana ilay namoy ny ainy. Omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny Federasionan’ny baolina kitra (FMF) notarihin’ny filoha vonjimaika, Andriamiasasoa Doda, dia niaiky fa tsy afa-miala ary manana andraikitra tamin’iny tranga iny. Efa nisy hatry ny alahady ny fijerena sy fandraisana an-tanana ireo niharam-boina, araka ny fanazavany hatrany. Nisaotra ny mpitia baolina kitra tonga maro teny Mahamasina tamin’iny alahady iny koa ny Federasiona fa “hery lehibe ho an’ny kitra Malagasy ireny”.

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT