Sport

Mpilalaon’ny Barea Eto an-tanindrazana ry Dax, Anicet, Bolida


  • Alakamisy 26 Desambra 2019

Eto an-tanindrazana i Arohasina Andriamirado na i Dax mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara.

Nisafidy ny hanao ny dingam-piainana lehibe eo amin’ny fiainany izy satria niroso tamin'ny dingan'ny fanambadiana ny tenany sy Ramatoakely Anja olon-tiany ny talata 24 desambra, izay arahabaina manokana. Mpilalao ao amin'ny Blacks Léopards any Afrika atsimo izy. Eto ihany koa i Nomenjanahary Lalaina na i Bôlida sy ny ankohonany no nisafidy ny hianoka ny fetin’ny asaramanitra. Hafa ihany rahateo izany mifety miaraka amin’ny fianakaviana sy ny havana aman-tsakaizany sy misitraka ny hakanton’I Madagasikara, ka omaly izao, dia namoaka sary tany amin’ny Lac Mantasoa i Bôlida. Eto an-tanindrazana ihany koa i Abel Anicet mpilalaon’ny Ajesaia teo aloha, ary kapitenin’ny ekipam-pirenena Malagasy amin’izao fotoana. Nanokatra tamin’ny ofisialy ny Ajesaia Mampikony ny tenany, izay manana avy any amin’iny distrika iny rahateo no fiaviany. Hisy ny hetsika samihafa ho an’ny rahampitso any an-toerana, toy ny lalao ara-pirahalahiana izay hihaonan'ny Ajesaia (Pro League) sy ny A.S Justice D1 Mampikony ao amin’ny Kianja Monisipaly any an-toerana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT