Sport

Mpilalaon’ny Barea Efa maro mpikitika ireo any amin’ny Golfa Persika


  • Zoma 11 Septambra 2020

Maro dia maro ny ekipa mitady hikitika sy vonona haka an'i Carolus Andrea sy Ibrahim Amada, izay samy kintan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra milalao any amin’ny Golfa persika.

 

 

 Araka ny loharanom-baovao iray dia miisa 4 eo sahady ireo mikitika an’ilay lohalaharana Malagasy, Carolus Andrea, ao amin’izay Golfa arabo izay, ka isany ny Ahba Club izay nisy an-drakapy Faneva Ima teo aloha, divizionina voalohany ao Arabia saodita. Misy klioba ao amin’ny ligy faharoa frantsay sy divizionina voalohany miisa 2 ao Belzika ihany koa, raha ny heno hatrany. Ho an’ilay irakiraka afovoany, Ibrahim Amada, ihany koa dia heno fa misy divisionina voalohany belza sy divizionina faharoa Anglisy ary ligy voalohany frantsay miampy ireo klioba maro samihafa ao Dobay sy Qatar, izay firenena ivelomany amin’izao ihany. Miisa 7 eo, raha ny voalaza ireo klioba efa mikitika ity irakiraka afovoan’ny Barea ity. Tsiahivina moa fa ny ekipan’ny Al Adalh, divizionina voalohany ao Arabia saodita, hatreto no misy an’I Carolus Andrea. Ity klioba ity izay hiverina hilalao ao amin’ny divizionina faharoa amin’io taom-pilalaovana ho avy io. Ny divizionina voalohany ao Qatar dia ny Al Khor sport club kosa no misy an’I Ibrahim Amada hatreto.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT