Sport

Mpilalaon’i Barea ao Azia Mamiratra sy misy antenaina


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Miisa 2 sahady ankehitriny tamin’ireo lalao miisa 3 efa nataony ao anatin’ny tompondakan’i Arabia saodita eo amin’ny taranja baolina kitra, divizionina voalohany, ny baolina matin’ilay mpanafiky ny Barea, Carolus Andrea, miaraka amin’ny ekipany El Adhal.

 

 Tsy “Rakapy” na i Faneva Ima izay lohalaharana sady kapitenin’ny ekipam-pirenena Malagasy ihany no avy hatrany dia nahatafiditra baolina rehefa najoro voalohany niaraka amin’ny klioba misy azy vaovao, Ahba club, divizionina voalohany ao Arabia saodita ihany koa, fa namiratra toy izany ihany koa ny zoma teo ilay irakiraka mpiaro Malagasy milalao atsy Quatar, Ibrahim Amada. Izy no nanokatra ny isa teo amin’ny fihaonan’ny ekipany, Al Khor SC, teo amin’ny faha-31 minitra, raha nihaona tamin’ny Al – Ahli Doha tao anatin’ny andro fahatelon’ny fiadiana izay ho tompondaka kataria, divizionina voalohany. Hita ho mamitatra sy misy hantenaina izy telo mirahalahy ireto hatreto ary heverina ihany koa fa mbola andrin’ny ekipam-pirenena satria sady matotra eo amin’ny taona no matotra eo amin’ny filalao.

 

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT