Sport

Mpilalaon’ny Barea Atao fatra-tsaonjo any amin’ny hotely


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Mba voninahi-pirenena ihany no arovana ary tapakila ho any amin’ny Mondial 2018 hatao any Rosia no anirahana azy 18 lahy nofantenanana tao anatin’ny maro, fa raha ny fampiantranoana aloha dia tsy mendrika an’izany.

 


Fatra-tsaonjo, ladina an-tany, fandriana mifampitaingina, maromaro no iray efitrano, manoatra noho ny any amin’ny kilasimandry. Miteny ho azy ny sary. Tian’ny mpikarakara haseho amin’izao ve fa mahantra ny Malagasy ?

Aza hadinoina fa anisan’ny antoky ny fahombiazan’ny ekipam-pirenena anie ny fisian’ny filaminana sy fitonian-tsain’ny mpilalao e ! Efa eto Madagasikara ihany ny lalao no atao ary raharaham-pirenena izy ity, maninona no tsy eny amin’ilay hotely kintana dimy eny amin’ny CCI Ivato ny Barea no napetraka ?

Na izany aza, mendri-piderana ireo mpilalao sy ny mpanazatra ary ny mpijery tonga maro teny Mahamasina nanohana ka nahazoan’ny Barea iny fandresena 3 no ho 0 nanoloana an’i Centrafrique iny tamin’ny lalao mandroso tetsy Mahamasina ny sabotsy 10 oktobra teo. Ho sarotsarotra ihany anefa ny famerenan’aina taorian’iny lalao iny, hanomanana ny fiatrehana ny lalao miverina rahampitso talata, eo Mahamasina, raha tarafina amin’io fanaovana fatra-tsaonjo ireo mpilalao io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT