Sport

Mpilalao mendriky ny CHAN 2022 Malagasy avokoa ireo irakiraka mpanafika


  • Alarobia 08 Febroary 2023

Malagasy avokoa ireo irakiraka mpanafika na “milieux offensifs’’ voafidy ho mpilalao mendriky ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra natao tatsy Alzeria farany teo na CHAN 2022,

izany hoe ireo tafiditra ho isan’ireo ‘’11 types’’ na 11 mendrika. Ilay mpiandry tsatoby senegaley, Pape Sy, no mpiandry tsatoby mendrika indrindra. Mbola senegaley ihany koa ny roa amin’ireo vodilaharana dia I Mamadou Sane sy Ousmane Diouf. Manampy azy ireo ao ilay alzerianina, Ayoub Abdellaoui sy ilay ivoarianina, Adamou Djibo. Mbola senegaley, Lamine Kamara, indray no irakiraka mpiaro na “milieu defensif”. Miaraka aminy ao ny alzerianina, Houssem Mrezigue. Rakool na Koloina Razafindranaivo, Dax na Arohasina Andrianarimanana, Tsiry Tokinantenaina, izay samy mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasy na Barea avokoa kosa no namiratra indrindra tamin’ny fanafihana niainga tao afovoan’ny kianja tao. Midika izany fa mafy isika teo amin’iny lafiny iny saingy nisy lesoka ihany tao amin’ny lohalaharana tao na ny famonoam-baolina moa izany no marimarina kokoa rehefa jerena ireo “occasion” na tolotra tokony hiditra tamin’ireo lalao natrehina rehetra, raha tsy hilaza afa-tsy ny tamin’ny fihaonana tamin’I Niger farany teo fotsiny. Lesoka mbola azo harenina tsara izany fa tamin’ity aloha izany dia lasan’ilay alzerianina, Aymen Rahjous, ny lohalaharana mendrika indrindra nandritry ny fifaninanana manontolo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT