Sport

Mpilalao mendrika amin’ny CAN Carolus sy Anicet no voafidy hatreto


  • Alakamisy 04 Jolay 2019

Nivoaka ny lisitr’ireo mpilalao heverina ho mendrika indrindra tao anatin’izay fifanintsanana isam-bondron’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika izay na ny “Equipe type”.

 

 Voafidin’ny kaonfedirasionina afrikanin’ny baolina kitra ho ao anatin’izany ny mpilalao Malagasy, Abel Anicet, izay mitana ny toeran’ny irakiraka afovoany tompon-toerana (titulaire) ary isan’ireo lohalaharana mpisolo toerana (remplaçant) kosa ilay irakiraka mpanafika, Andrea Carolus. Mijoro voalohany ao anatin’izay mpanafika izay moa ilay kalaza senegaley, Sadio Mané sy ilay ganeanina, Ayew ary ilay ejipsianina, Mohamed Salah. Ny fametrahana ny atao hoe “Equipe type” toy itony moa dia tsara marihina fa singa iray hanarahan’ireo mpitily mpilalao ny fivoaran’ny mpilalao tsirairay avy hahafahany ihany koa avy eo manapa-kevitra mikasika ny tolo-bidy atao aminy hivoarany any amina klioba tsaratsara kokoa.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT