Sport

Mpilalao Malagasy Mahasarika ny alzerianina


  • Alakamisy 02 Febroary 2023

Nandritry ny 8 taona be izao ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra ankehitriny na Barea A, Ibrahim Amada,

no nofikirin-drizareo alzerianina. Nanomboka izany izy teo amin’ny faha 21 taonany rehefa novidian’ny JS Kabylie, klioba divizionina voalohany alzerianina, tamin’ny klioba malagasy nitaiza azy dia ny Akademia Ny Antsika izany ny taona 2011. Nandalovany avokoa ireo klioba sangany ao an-toerana ankoatran’io efa voalaza io dia ny AS Khroub, USM Harrach, ES Sétif ary ny MC Alger, izay hidiran’ilay lohalaharan’ny CFFA teo aloha mbola miatrika ny CHAN 2022 ao Alzeria ihany ankehitriny dia I Rakool na Koloina Razafindranaivo izany. Ny taona 2019, izany hoe teo amin’ny faha 29 taonany I Ibra vao navotsotry ry zareo alzerianina satria tsy azon’ny vahiny milalao any an-toerana atao ny mbola milalao amina klioba alzerianina rehefa mandia ny faha 30 taona. Ibrahim Amada, izay fantatry ny mpitia kitra malagasy amin’ny fiantsoana azy hoe “missile” noho ny talentany amin’ny tifi-davitra amin’ny alalan’ny tongony havia, indrindra indrindra. Tsy ity irakiraka afovoany ity irery anefa fa efa nandany 5 taona tany an-toerana koa ny irakiraka mpanafika malagasy hatrany dia I Carolus Andriamahitsinoro na Carolus Andrea izany ny taona 2012 hatramin’ny taona 2017 raha nilalao tao amin’ny USM Alger, divizionina voalohany alzerianina hatrany, nanomboka teo amin’ny faha 23 taonany. Mbola azo lazaina hoe tompon’ny tifi-davitra na “coup franc” koa ity lohalaharana malagasy isany nanao ¼-dalan’ny CAN 2019 ity. Ankehitriny moa dia io I Rakool fa handimby an’I Ibrahim ao amin’ny Mouloudia Club ao Alger amin’izao faha 22 taonany izao. Mahasarika ny alzerianina hatrany, araka izany, ireo malagasy mpamono tifi-davitra, raha baolina kitra no resaka. Irariana anefa na izany aza ny tsy hijanonan’ity zandrikely ity ao amin’ity firenena ity ihany fa mba hahasarika klioba amina firenena misy fifaninanana matanjaka kokoa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT