Mpilalao baolina kitra malagasy

Tadiavin-dRajoelina hihitsoka eto sy tsy hivoatra koa


  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Efa maherin’ny atsasaka taonjato ankehitriny no nisian’ny

fifanakalozana iraisampirenena eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra. Amin’izao taona 2025 izao, izay hiroboroboan’ny antsoina hoe fanatontoloana ihany koa, no hiroboroboan’izany manerantany. Ny ankamaroan’ireo kintan’ny baolina kitra malaza indrindra eran’izao tontolo izao dia saika tsy nisy nijanona nilalao tao amin’ny firenena fa nila ravinahitra tany ivelany daholo, raha tsy hitanisa afa-tsy ilay frantsay Michel Platini, izay namiratra tany amin’ny taona 1980 tany, ohatra, izao dia tao amin’ny Juvintus de Turin, Italia, no tena namiratany ary io izy lasa reharehan’ny frantsay ankehitriny io. Toy izany koa ry Zinedine Zidane, izay tsy vitan’ny hoe nilalao tao amin’ny klioba goavana espaniolina, Real Madrid, fotsiny fa lasa mpanazatra tao ihany koa saingy tsy nisy nanakana azy ho lasa reharehan’ny frantsay, izay firenena narovany voninahitra nanomboka ny taona 1994 hatramin’ny 2006 izany. Namany tao amin’io klioba io koa ilay kintana brezilianina, Ronaldo Do Simao, saingy reharehan’ny firenena brezilianina hatramin’izao. Io izao i Cristiano Ronaldo fa tsy nijanona tao amin’ny Sporting Portugal fa nifindra tao amin’ny Machester United tao Angletera, efa tao amin’ny Real Madrid koa ary izao any Qatar no mamarana ny fotoam-pilalaovany na «carrière» ary reharehan’ny firenena portogey. Ry Lionel Messi izao dia ny FC Barcelone sy PSG no nilalaovany fa mpilalao mahay indrindra manerantany argentin no ahafantaran’izao tontolo izao azy. Ny eto amintsika izany, raha ny nambaran’ny filoham-pirenena omaly, dia ho sakanan’i Andry Rajoelina tsy hivoatra koa ireo mpilalao baolina kitra malagasy fa dia hoe atao izay hitazonana azy ireo eto Madagasikara tsy ho lasan’ireo firenena any ivelany. Ezahin’ireo firenena hafa vidiana daholo ny mpilalaontsika, hoy izy. Aleo ataontsika izay hitazonana azy ireo eto Madagasikara mba hahafahana mahazo vokatra tsaratsara kokoa. Teo izao, hoy hatrany izy, nisy mpilalao tadiavin’i Seychelles ho vidiana 100.000 Dolara. Aleo izaho no hividy azy dia mijanona eto ihany izy ireo, hoy hatrany ity filoham-pirenena ity. Sa tsy fantatry ny filoham-pirenena hoe klioba fa tsy firenena no hividy ireo mpilalao?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT