Sport

Mpibata fonjam-by Malagasy Nandrombaka medaly 9 tany Egypte


  • Alakamisy 02 Mey 2019

Ny Dgs “Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena Malagasy”, Rtoa Rosa Rakotozafy, nisolotena ny minisitra Tinoka Roberto no nitarika ny fitsenana ny delegasiona Malagasy,

 

 

 

 teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena teny Ivato omaly alarobia 01 mey 2019  tolakandro, avy niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika teo amin’ny taranja Fibatana Fonjam-by notontosaina tany Egypte ny 24-29  aprily 2019 lasa teo. Medaly niisa 9 no voandalana nentin’ity delegasiona ity nody an-tanindrazana ka ny 6  tamin’ireo volamena avokoa ka ny 3 norombahin’Andriantsitohaina Eric Hermana sokajin-danja -55 kg teo amin’ny  “arraché 102  kg” sy  “épaulé-jeté 20 kg”  ary teo amin’ny “total olympique 222 kg”, ny 3 hafa dia azon-dRandafiarison Rosine sokajin-danja 55 kg vehivavy (70 kg, 80 kg ary 150 kg) . Ny 3 ambiny kosa dia medaly volafotsy norombahin’Andriantsitohaina Tojoniaina Alain sokajin-danja – 67 kg (133 kg, 167 kg, 300 kg). Laharana faha-4 kosa no azon’i Ravololoniaina Elysa Vania tompondakan’i Afrika tamin’ny 2018. Tsy tongatonga ho azy fa vokatry ny fanazarantena nikirizana  10 ka hatramin’ny 15 taona  tany ho any ary nohatevenin’ny nanaovana fampivondronana voalohany hiatrehana ny lalaon’ny nosy 2019  natrehana  farany teo no nahazoana izao vokatra izao, hoy ny filohan’ny federasiona Harinelina Randriamanarivo Jean Alex nitarika ny delegasiona niaraka  tamin’ny Dtn, Rakotoarison Thomas d’Aquin. Voninahitra lehibe ho an’ny Malagasy  izao vokatra azo izao, hoy Rtoa Dgs Malagasy, fa manaporofo sahady ny famerenana ny fiandrianam-pirenena Malagasy, araka ny voalazan’ny velirano faha-13 nolazain’ny filohan’ny Repoblika, miainga amin’ny tanora. Mbola horaisin’ny minisitry ny fanatanjahantena Malagasy ireto atleta ireto nefa dia efa nanatsidika sahady izy fa tsy maintsy hampian’ny Minjs  manokana ny taranja Fibatana fonjam-by Malagasy noho ny zava-bitany sy hahazoany miatrika ny lalao olimpika 2022. Notoloran’ny federasion’ny taranja tolona taratasim-bola 600.000 ar tsirairay avy teny Ivandry, omaly, izy 3 mianadahy nahazo medaly sy ny Dtn haltérophilie Malagasy.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT