Sport

Mpiasan’ny minisiteran’ny fanatanjahantena Nahazo toky tamin’ny minisitra, hiverina hiasa


  • Zoma 15 Jona 2018

Efa nihaona tamin’ny minisitra vaovao Faratiana Tsihoara Eugène izahay, ary faly miarahaba azy, hoy ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny fanatanjahantena.

Sarotra ny hitsikera olona vao handray ny asany, hoy ireo mpiasa tamin’ny alalan’ny filohan’ny sendikany Simon Cyriaque. Nisy rahateo ny fifanakalozan-kevitra ary notsiahivina tamin’ny minisitra ny zavatra notakian’ny sendika, toy ny fanomezana hasina ny teknisianina ao anatin’ny minisitera, ny famahana ny olan’ny TAFITA (Tahiry Aina ho an'ny Fanatanjahantena sy itsinjovana ny Tanora),... Nampanantena ny minisitra fa hiezaka hamaha ny olana ao anatin’ny fotoana fohy na antonony na haharitra, hoy hatrany ireto mpiasa ireto. Nanome toky ihany koa, fa hanome hasina ny teknisianina. Aminay dia tsy hanohitra no zava-dehibe fa rehefa misy fifanomezan-toky dia heverinay fa efa mba misy dingana na fahavononana ara-politika ao anatiny, ka rariny loatra izahay raha misaotra azy manokana amin’izay fahavononany hamaha ny hetaheta, indrindra fa ny fanomezan-kasina ny teknisianina, izay tena tsy noraharahiana sy nanjavona tanteraka tao anatin’ny 4 taona, hoy hatrany ireto mpiasa ireto. Tsy hanaiky ny resaka antsojay sy ny fanamparam-pahefana ihany koa fa hitady izay hisian’ny fitoniana hatrany. Aminay dia nivaly tamin’ny ampahany tamin’ny alalan’ny fifanomezan-toky ny fitakiana, hoy ireo mpiasa. Miato izany ny fitokonana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT